ActualitésTatitra

Mali : Miaramila 5 matin’ny djihadistes

Nanao tatitra ny tafika malien ny 12 septambra teo fa tafiditra tao amin’ny fandrika nataon’ireo mpampihorohoro ny miaramilan’izy ireo tao Manica. Misy 5 maty ny tafika tamin’izany raha ny fanazavany saingy mbola isa vonjimaika ihany izany. 3 kosa no maty tao amin’ireo mpampihorohoro djihadiste.Fiara dimin’ny tafika ihany koa no may nandritra io fanafihana io hoy ihany ny loharano raha telo ny fiara simba ny an’ny mpanafika. Tao alohan’io ihany kosa dia efa nanao tatitra ihany koa ny Mission de l’ONU fa nisy tafik’izy ireo naratra tamina fipoahana tao an-toerana tao Kidal tao Avaratra Atsinanana.

Laisser un commentaire