SocialTatitra

Italie : Toerana misy lolo ao amin’ny nosy Poveglia, Venise

Anisan’ireo toerana tena tsy tian’ny mponina ao an-toerana andehanana ny nosy Poveglia. Malaza amin’ny fisiana matotoa izy ka tsy misy sahy mivezivezy. Navadika toerana ho an’ireo mararin’ny pesta mantsy ny toerana tamin’ny taonjato fahenina ambin’ny folo ka olona 160 000 no monina tao tamin’izany. Toerana nitokana monina izy hatramin’ny ady lehibe faharoa ary tao aorian’i ady no nanomboka nahenoana fa nisy lolo tao amina hopitaly nitsabo marary saina iray.Nanomboka nahita ireo matin’ny pesta tao an-toerana ireo marary notsaboina tao main’ny hopitaly raha ny fanazavana. Tsy nino izany ny tompon’andrikitra tao an-toerana noho ireo areti-tsain’io tsaboina tao aminy hatramin’ny nahitany izany ihany koa. Namono tena nitsambika teny amin’ny tilikambon’ny hopitaly izy tao aorian’izany ary nanomboka teo dia tsy nisy nipetra intsony ny nosy.

Laisser un commentaire