Dépêches

Moramanga : Mirongatra indray ny vaky fasana

Dépêche 12 mai, 10h, Fasana miisa telo be izao tao Moramanga no nisy namaky. Razana miisa 21 araka izany no tsy hita tao amin’ny Fokontany Ambatolampy Ambarilava. Mitohy sy miezaka manao ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao satria dia tsy fantatra mihitsy ny fotoana nitrangan’ny loza. Sarobidy amin’ny Malagasy ny razana, izay heverin’ny maro ho mitahy. Araka izany dia manan-danja izy ireny ka tsy tokony angalarina. Izany indrindra no hanaovana antso avo amin’ny mpitandro filaminana hanao ny heriny rehetra hamongotra hatrany amin’ny fotony izany fanagalarana taolam-paty izany.

Laisser un commentaire