Fifanintsanana ho amin’ny lalaon’ny CAF : Lavo ny avy any Cameroun
Dépêche 19 septembre, 13h30, Nandavo ny PWD Bamenda tamin’ny isa 1 sy 0 ny avy ao amin’ny Elgeco Plus. Natao teo amin’ny kianjan’ny Mahamasina ity lalao ity ary izao taiakatra amin’ny fifanintsanana manaraka izao indray ireto Elgeco Plus ireto. Nanao ady sahala moa izy ireo tamin’ny lalao mandroso natao tany Cameroun ka mitohy izany ny lalan’ny Elgeco Plus ao anatin’ity lalao ity.
