ActualitésTatitra

Chine : « Plage rouge », toerana miavaka ao amin’ny firenena

Ny « Plage rouge » na « zone humide de Panjin » dia faritra mando misahana velan-tany 300 000 ha ao avaratra atsinanan’ny République populaire de Chine. Ao amin’ny kaominin’i Panjin, distrikan’i xian de Dawa, faritanin’i Liaoning no misy azy raha ny marimarina kokoa.

Anisan’ny tena mampiavaka io toerana io izy rakotra karazana zava-maniry atao hoe « suaeda salsa » ka maneno azy loko mena. Io toerana io no « roselière » lehibe indrindra eran-tany. Manoloana izany dia niara-niasa tamin’ny AFD (Agence française de développement) ny faritanin’i Liaoning tamin’ny taona 2013 mba hiarovana sy hitandrovana io faritra mando io.

Ahitana karazana zava-maniry 235 isa ny toerana, karazam-biby 411, karazan-trondro 124 ary karazam-borona 269.

Laisser un commentaire