Torohevitra : Fanalana ny vakivaky amin’ny molotra
Anisan’ny marary, ary miteraka fahakizitinana ny molotra vakivaky. Amin’izao andro mbola somary mangatsitsiaka izao, rehefa tratran’ny rivotra ny molotra dia mora maina ka lasa vakivaky, na tresaka, mandeha rà mihitsy ho an’ireo tena tsy mahazaka. Rehefa tojo tsy fahampian’ny rano ao anaty ihany koa ny olona iray dia miseho izany. Marefo dia marefo ny hoditra eo amin’ny molotra ka mahatonga azy ho vakivaky. Azo atao tsara anefa ny manala izany amin’ny fomba tsotra sy mahomby.
Ny zavatra atao voalohany, hosorana tantely ny molotra isan-kariva mialohan’ny atory. Raha manana fahefana, azo atao ny manafangaro ny ranona betravy amin’ny tantely kely. Manome loko mavokely ny molotra izany fangaro izany no sady manamandina azy.
Azo atao ihany koa ny manafangaro tantely sy eau de rose (2 sotro fihinanana). Hafanaina ho matimaty ny tantely. Rahefa izay dia atokana amin’ny tavoangy misarona tsara ka afangaro ao amin’ny eau de rose dia ahontsana hifangaro tsara. Rehefa mangatsika io fangaro io dia ahosotra amin’ny molotra avy hatrany. Afaka atao solona « baume » ity farany ity.
Tokony fadiana anefa ny milelaka molotra matetika. Izany fomba izany no anisany maha maina sy mahavakivaky ny molotra vetivety. Tokony harovana amin’ny rivotra ihany koa anefa ny molotra.
Manitra Ramanantsoa
