ActualitésTsidika

Alasora: Maro ireo toerana manan-tantara azo tsidihana

Alasora dia anisan’ireo vohitra malaza, manana ny tantarany teto imerina. Araka ny voalaza, tao Alasora no voalohany nisian’ny fanjakana voalohany. Manamarika izany, ny fisian’ireo fasan’Andriana nitondra voalohany teto Imerina. Ao anatin ‘izany ny mpanjaka Andriamanelo ary ny fasan-dry Rafohy sy Rangita. Mbola tazana ao Alasora ihany koa ny fasana fito miandalana.

“Anisan’ny manamarika ny tantara, ary vakoka tsy azo kosehina na fafana ireo toerana masina, izay mitahiry tsiambaratelo sy fomba teto Imerina. Mbola maro amin’ny malagasy amin’izao fotoana izao no tonga mangataka fitahiana ary manaja ireo toerana ireo” hoy ny tomponandraikitra misahana doany.

“Misy hasiny, fombany ary fadiny ireo toerana manan-tantara ao Alasora. Tokony hajaina fatratra izany ho an’ireo mpitsidika na mpanao fikarohana. Mitahiry zava-miafina izay tsy takatry ny sain’olombelona izy ireny ka tokony harovana ary kolokoloina, indrindra itandrovana ny hasiny” hoy I Santatra, mpianatra mpikaroka momba ny fomba malagasy.

Anisan’ny olana mahatonga ny faheverezan-kasin’ny toerana na vohitra masina eto Antananarivo ny fandikana ny fady sy ny fomba isan-karazany. Tokony samy hifanaja anefa ao anatin’izany ary ilaina ny mifanentana mba ho fiarovana azy ireny satria vakoka iombonana ary manamarika ny mahamalagasy.

Laisser un commentaire