Fampianarana ambony: Nolanian’ny Solombavambahoaka ny mahakasika ny fizakan-tenan’ny Oniversite
Dépêche 30 novembre, 11h59, Nisy ny tolo-dalàna izay natolotra teo anivon’ny Solombavam-bahoaka mahakasika ny fizakan-tenan’ny Oniversite. Nolanian’izy ireo ny 29 novambra teo izany. Raha tsiahivina dia efa nolanin’ny Parlemantera roa tonta izany tolo-dalàna izany saingy noho ireo lalàna sasany tsy mifanaraka amin’ny lalam-panorenana dia nasiam-panitsiana sy fanovana vao izao nolaniana teo anivon’ny Solombavam-bahoaka izao. Ireo oniversitem-panjakana sy ireo ivon-toeram-pampianarana ambony miankina amin’ny fanjakana rehetra dia voakasika izao tolo-dalàna izao avokoa.
