Kolikoly : Mangataka tribonaly iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly i Pays-Bas, Canada ary Équateur
Maniry ny hamarana ny « kleptocrates » i Pays-Bas, Canada ary Équateur. Ny « kleptocrates » moa dia teny manondro ny rafitra ara-politika ahitana olona iray na maromaro ao amin’ny fitantanana firenena, manao kolikoly amin’ny ambaratonga lehibe, miaraka amin’ny olom-pantatra na fianakaviana. Raha adika amin’ny teny tsotra izany dia kiantrano an-trano.
Manoloana izany dia niantso ny fametrahana tribonaly iraisam-pirenena hiadiana amin’io endrika kolikoly io i Pays-Bas, Canada ary Équateur. Nanao fampielezan-kevitra hananganana io tribonaly io ny minisitry ny raharaham-bahiny avy amin’ireo firenena telo ireo. Raha ny fanazavan’izy ireo dia hampitoviana amin’ny CPI (Cour pénale internationale) ny fomba fiasan’izany.
