ActualitésTatitra

Brésil : Mpampiteraka iray no nahaongotra lohan-jaza iray teo am-paterahana

Dokotera mpampiteraka iray no voalaza fa nahaongotra lohan-jaza teo am-pahaterahana. Ny fiandohan’ny volana teo teo  tao amin’ny hopitaly das Clinicas da UFMG, ao amin’ny tananan’i Santa Efigenia, Belo Horizonte no niseho io tranga io raha ny fanazavana.

Vehivavy iray antsoina hoe Ranielly Coelho Santos, 33 taona no sedran’io tranga io. Nanomboka ny faran’ny volana aprily izy no tao amin’ny hopitaly ary rehefa nanomboka ny nanaitrika ny zanany dia niantso ny rain’ny zaza hijery ny fahaterahan’ny vadiny ilay mpampiteraka. Io raim-pianakaviana io no nanazava fa nikasa namoaka haingana ny zazakely ilay mpitsabo saingy niongotra ny lohan’ilay zazamenavava.

Nitory avy hatrany io fianakaviana niaram-boina io. Efa voasambotra kosa ilay mpitsabo ary miatrika fanadihadiana. Tsy mbola nitondra tena momba io raharaha io kosa ny hopitaly nisehoan’ny tranga.

Laisser un commentaire