Kanto: Voasafidy handray anjara amin’ny Kokutan’art 2023 I Rijasolo
Anisan’ireo voatana handray anjara amin’ny Kokutan’art 2023 izay hotanterahina ao Congo-Brazaville ilay mpaka sary Rijasolo. Hisy amin’ireo sary izay naliny no hampirantiana any an-toerana mandritra ny hetsika. Hahritra iray volana ny fampirantiana izay efa nanomboka omaly. “Nocturnes” indray ny lohahaveitra horesahina mandritra ity hetsika 2023 ity.
“Hisolo tena ny mpaka sary Malagasy rehetra ary hitondra avo ny fahaizan’ny mpaka sary Malagasy sy hametraka tantara manerana izao tontolo amin’ireo fahaizan’ny Malagasy. Izany no antom-pisiako any an-toerana mandritra ity Kokutan’art 2023 ity. Sary tsy manana afatsy loko iray ary mampiseho ny fiainana an-dalambe eto Madagasikara no hampirantiana any an-toerana”, hoy I Rijasolo.
Anisan’ny handray anjara amin’ireo ady hevitra sy ireo famelabelaran-kevitra rehetra ihany koa ny tenany. Ankoatra an’I Rijasolo dia ahitana an’i Nathalie Guironnet avy ao France, Robert Nzaou, Zed Lebon ary Luyzo avy ao Congo-Brazzaville, ary i Arsène Mpiana sy Botembe Moseka avy ao amin’ny Repoblika Demokratika an’ny Congo ihany koa ity hetsika ity.
“Efa andiany faharoa ity hetsika amin’ity taona ity ka voninahitra ho ahy ny handray anjara amin’izany hahafahana mampitombo traikefa ary indrindra mampahafantatra manerana izao tontolo izao ny zava-misy eto Madagasikara”, hoy hatrany ny fanazavany.
Tsara ny manamarika fa nahazo ny loka tamin’ny World Press Photo ny taona 2022 ireto sarin’I Rijasolo ireto. Teraka tany Frantsa saingy efa mipetraka eto Madagasikara amin’izao fotoana izao I Raijasolo. Maro amin’ireo sariny no efa nampirantiana nanerana ny Nosy tamin’ny hetsika maro samihafa.
Miora Raharisolo
