Fahasalamana : Manomboka ny fitaterana fanafody amin’ny « drone » any amin’ireo toerana saro-dalana
Efa manomboka ny fitaterana fanafody amin’ny alalan’ny « drone » any amin’ireo toerana sarotra lalana. Mihazakazaka ny fivoaran’ny tontolon’ny fitaterana sy ny teknolojia. Mivoatra manaraka ny teknolojia ny fomba fitaterana ireo fanafody sy kojakoja medikaly eto Madagasikara.
« Ny fahasalamana ho an’ny rehetra tsy hanavahana sokajin-taona no tanjona. Manohy hatrany amin’ny fanatanterahana izany ny Ministera. Manome tanana ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana izany ihany koa ireo Mpiara-miombon’antoka » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. « Teto Toamasina II no nanombohana ny fitaterana fanafody tamin’ny alalan’ny drone. Manampy be ny famatsiana ireo Tobim-pahasalamana saro-dalana ny fisian’izao fitaterana fanafody amin’ny alalan’ny drone izao. Minitra vitsivitsy no isaina dia afaka misitraka ny fanafody izy ireo. Azo antoka ihany koa araka izany ny famatsiana fanafody ara-potoana eny amin’ireo toerana lavitra ny tanan-dehibe » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny faritra Atsinanana.
Izao tetikasa goavana izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Governemantan’I Etats-Unis, amin’ny alalan’ny Usaid/Impact. Izay marary tokoa andrianina.
Nicole Rafalimananjara
