ActualitésTsidika

Fanabeazam-pirenena : Nahazo vola hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ny Ministera

Nahazo vola 50 miliara ariary ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena hanatanterahana ireo tetik’asa vaovao sy hanatsarana ny lafin’ny fanabeazana. Betsaka ireo tetik’asa hampiasana io vola io raha ny tapaka tamin’ny filankevitry ny Minisitra.

« Hanamboarana sekoly manara-penitra ireo vola, hanarenana ireo sekoly simba ihany koa, hanamboarana ny tranon’ny Ministera eny Anosy. Tafiditra ao amin’izany teti-bola izany ihany koa ny fampitaovana ireo mpianatra manodidina ny 45 000 manerana ny Nosy. Hotohizana ihany koa ireo asa tsy mbola nanomboka nefa tokony efa natao » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. « Tanjona ny mba hisian’ny fitantanana mahomby ara-drariny, ny fanatsarana ny kalitaon’ny rafi-panabeazana azon’ny rehetra sitrahana sy ara-drariny. Eo ihany koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, ary ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fitarihana » hoy ny fitondram-panjakana.

Sehatra tena tokony handroso indrindra toko any fanabeazana ho antoky ny fandrosoana. Miainga amin’ny fanabeazana ny tsirairay tokoa mantsy no mandrafitra ny foto-pisainana.

Laisser un commentaire