SocialTatitra

Nigeria : Gadra maherin’ny 120 no tafatsoaka vokatry ny oram-be

Gadra manodidina ny 120 no tafatsoaka ny fonja, tany Nigeria, nandritra ny fisian’ny oram-be mikija, tao an-toerana. Ny alarobia teo, nikija tsy ankijanona, nandritra ny ora maro ny orana tany an-toerana, ka niteraka ny fahasimban’ny foto-drafitr’asa tao amin’ny fonja, tao an-tanànan’i Suleja, akaikin’ny renivohitr’ity firenena ity. Rava voaktr’izany ny varavarana sy ny tamboho mamefy ity fonja ity. Araka ny nambaran’ny mpitondra teny avy amin’ity fonja ity, dia anisan’ny foto-drafitr’asa efa tranainy ity toerana ity. Efa tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany tany amin’ity firenena ity no nanorenana izany ka antitra sy mora rodana. manoloana izany, miantso sy mampitandrina ny mponina ny tomponandraikitra mba samy ho mailo ary hampandre raha misy ny tsy fandriam-pahalemana. Mety hanampy trotraka ny fisian’ny ady sy ny herisetra ao amin’ity firenena ity izao tranga izao.

Laisser un commentaire