ActualitésTsidika

Masindray : S???? ? ?????? ?? ???? ???? ????? ??? ????? ???? ?? ??????? ???? ??-?????????.

Hatairana ny an’ny fokonolona nahita gony namoaka fofona maimbo tao anaty tanimbary iray tao Amboaromanana, fokontany Ivoara Masindray, omaly maraina. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana ka nakarina an-tanety ilay gony. Nosavaina, fatin’olona efa simba no tao anatiny. Tera­tany sinoa, monina tsy lavitra io toerana io no hita tao. Nanao ny fizahana ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBII Masindray, ka nahitana dian’antsy roa teo amin’ny tendany. Mipetra-drery, manana fiompiana kisoa am-polony izy ao amin’ny tanànany. Ny mpiambina no mikarakara ny biby, izy no ahiahiana manoloana ity tranga vono olona ity. Nosamborin’ny mpitandro filaminana avokoa ireo olona nifanerasera akaiky taminy hatao famotorana.

Laisser un commentaire