Vary tsinjo : Ireo ivotoeram-pivarotana ahitana ny Tsena Mora rahampitso ho an’i Manakara sy Manajary
21 Febroary, 16h00. Mbola ao anaty fahasahiranana noho ny rivodoza tanteraka ny mponina ka mitohy ny fanokafana ny tsena mora. Ho an’ny rahampitso Talata 22 Febroary 2022 dia ao Ambalakazaha Nord, Ambalafary Gare, Mangarivotra Est, Mangarivotra Ouest, Andranomainty, Manakara Be ary Vangaindranokely no ahitana izany ao Manakara. Ao Analajavidy, Ampasimandrorona, Tanambao, Ambonaramena, Ambatolambo ary Marofinaritra kosa izany ho an’i Mananjary. Afaka misitraka Vary Mora 5 Kg amin’ny vidiny 1.000Ar/Kg sy menaka 1 litatra amin’ny vidiny 5.000 Ar ny isan-tokantrano. Nanamafy hatrany ireo tompon’nadraikitra fa tsy azo ekena ny fanararaotana sy ny kolikoly amin’ny fivarotana ireo Vary Mora ireo ka ho hentitra ny fanaraha-maso.
