Vénézuela : Salto Ángel no riandrano avo indrindra eran-tany
Ny riandranon’i Niagara dia anisan’ireo malaza indrindra eran-tany saingy tsy ao anatin’ny avo na matanjaka indrindra. Ny riandranon’i Salto Ángel ao atsimo atsinanan’i Vénézuela no riandrano avo indrindra eran-tany izay misy « cascade » 979 metatra.Mianga eo amin’ny lembalemba vato antsoina hoe Auyán-Tepuí, manana haavo 2 410 metatra, ity riandrano ity ary miraraka aty ambany ao amin’ny alan’i Gran Sabana. Tsy dia hita izy raha jerena avy aty ambany noho izy takon’ny ala mikitroka.Manaraka azy kosa ny riandranon’i Tugela, ao Afrique du Sud, izay milatsaka avy eny amin’ny haavo 948 metatra sy ny Trois Sœurs ao Pérou, manana haavo 914 metatra.
