ActualitésSocialTsidika

 Anjeva : Efa nandray ny asany ny lefitry ny ben’ny tanàna vaovao

Voatendry ho filoha lefitry ny ben’ny tanàna vaovao, ao amin’ny kaominina Anjeva gara, i Damien Andrimandimby. Izy araka izany no hisolo toerana sy hanatanteraka ny asa nihantsorohan’ny lefitra teo aloha, Pasteur Heby Andriamampihely, araka ny voalaza.

“Maro ireo zava-bita sy ny asa fampandrosoana nivaingana nandritra ny fotoam-piasan’ny lefitra teto. Hisaorana azy izany sy ny ezaka nataony ary hirariana mba hitohy hatrany izany ho fampivoarana ny kaominina” hoy i Lanto, mponina ao Anjeva.

“Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana ny kaominina na dia teo aza ny fifanoloana toerana teo amin’ireo lefitra. Taratr’izany ny fahavitan’ny asa izany ny fanitarana  ny rano fisotro madio tao amin’ny fokontany Manohisoa. Mbola hitohy amin’ny fizarana sy fametrahana jiro lampadaire eny amin’ny fokontany ihany koa izany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

Nanomboka ny talata 11 jolay teo moa no nanomboka nandray ny asany tao amin’ny fiadidian’ny tanàna an’Anjeva ity lefitra vaovao ity. Marihina moa fa voatendry hiasa any amin’ny faritra hafa ivelan’ny kaominina no nahatonga ny fametraham-pialana ho an’ny lefitra teo aloha ity.

Raha misy lahatsoratra tianao ho avoaka eto amin’ny site, azonao atao ny manoratra amin’ny « gazety.tsidika.avaradrano@gmail.com »

Manitra R.

Laisser un commentaire