ActualitésTsidika

Ambohimangakely:  Dahalo hikoizana lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana

Dahalo hikoizana amin’ny asa ratsy no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tamin’ny herinandro teo, teny Ambohimangakely. Mpivondrona ao anatin’ny « bande des six » mitondra ny anarana « wrong turn » izy ireo ary mpandravarava sy mpandroba hikoizana. Lavon’ny zandary ny telo tamin’izy ireo nandritra ny fifandonana, araka ny voalaza.

« Ny 15 may tamin’ny 6ora maraina no voasambotra teny Ikianja ny iray tamin’ireo andian-jiolahy. Avy namaky trano  ka nangalarany fitaovana samihafa. Tratra niaraka taminy ihany koa ireo fitaovana fitondrany manao ny asa ratsy toy ny sabatra, saron-tava, antsy, basy kilalao ary fanalahidy mety amin’ny rehetra ary fonoka » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

« Taorian’izay dia nanohy ny fanadihadiana ny zandary ka fantatra fa isan’ny nanafika olona miasa amin’ny tambazotram-pifandraisana ilay jiolahy. Voaroban’izy ireo tamin’izany ny vola mitentina 12tapitrisa ariary sy finday 30isa ary fitaovana lafo vidy. Ny roa tamin’izy ireo no voasambotra » hoy hatrany ny fanazavana.

Rehefa nihidy tao amin’ny tranomaizina moa ireo farany dia mbola nikasa ny hitsoaka. Nanoro ireo namany izy ireo ka tamin’izany no nisian’ny fifampitifirana teo amin’ireo jiolahy sy ny zandary ka lavo tamin’izany ny telo.

Laisser un commentaire