SocialTatitra

France: Zaza tsy ampy taona nitondra fiara, tratran’ny lozam-pifamoivoizana

Tsy mbola manana fahazoan-dalana hitondra fiara, ary nandray zava-mahadomelina ity zazalahy iray nitondra  fiara ity, izay vao 17 taona monja. Tsy nahavoafehy ny familiana teo am-pitondrana ny fiara ity farany, ka nidofotra tamin’ny rindrina lehibe. Ankoatra azy mpamily, dia nitondra namany hafa, telo lahy ihany koa izy, ary voa mafy ny iray tamin’izy ireo. Nandray an-tanana ny tranga avy hatrany ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Marihina, fa any France dia manomboka amin’ny 17 taona no afaka mitondra fiara ny tanora saingy mila manana fahazoan-dalana.

Laisser un commentaire