ActualitésTsidika

Covid-19 sy ny sehatry ny fambolena : Tsy voakasika firy ny krizy ara-pahasalamana

Ny ankamaroan’ireo fifanakalozana na asa ara-toekarena dia tsy afa-nihetsika noho ny krizy ara-pahasalamana nanomboka ny taona 2020. Tsy voakasika firy tamin’izany krizy izany anefa ny sehatry ny fambolena.

Maro ireo sehatra voakasika noho ny fiantraikan’ny valanaretina. Nahitana fitomboan’ny traikefa sy fandrosoana anefa ny sehatry ny fambolena ny taona 2020. Izany no nahatonga ny toe-karena eto Madagasikara tsy hitontongana lalina raha ny tatitra farany navoakan’ny banky foiben’i Madagasikara mahakasika ny toe-karena eto amin’ny firenena. Nitohy hatrany ny asa famokarana tany amin’ny faitra ambanivohitra na dia teo aza ny valanaretina. Nahitana fiakarana mavitrika 3,1% ny sehatry ny fambolena araka izany tatitra izany hatrany. ny fiakaran’ny vokatra araka izany no nampihena ny fiantraikan’ny krizy ara-pahasalamana eto Madagasikara. Niakatra hatrany amin’ny 10, 6% ny famokarana vay ny taona 2020 raha to aka 5, 0% izany ny taona 2019.

Ho an’ny famokarana mangahazo dia nahitana fiakarana 23, 6% ny taona 2020 raha 16, 6% ny taona 2019, Raha ny tatitra ny banky foiben’i Madagasikara hatrany. Na izany aza, nisedra olana ihany ireo tantsaha tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondrana mahakasika ny fitaterana entana sy ny fivezivezena tamin’ny taona 2020 nisian’ny aretina coronavirus voalohany teto Madagasikara.

« Nanahirana tokoa ny tsy fahazoan’ny entana na ny olona nivezivezy tamin’ny fihibohana ny taona 2020. Voatery tsy maintsy manao taratasy tamin’izany vao azo mivezivezy manatitra vokatra » hoy i Léon, tantsaha. Amin’ny ankapobeny, voavatsy ihany anefa ireo tanan-dehibe na dia voasakana aza ireo vokatra sasan-tsany raha ny nolazain’ny kaoperativa mpitatitra entana iray. Ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono ary ny ala no nahitana fitomboana 3, 1% ny taona 2020 ary ireo sehatra ireo no tsy voakasika firy amin’izany krizy izany.

Ankilany izay anefa, ny sehatry indostria no tena voakasika izany krizy ara-pahasalamana izany tanteraka. Sarotra ho azy ireo ny fanodinana ny orinasa nandritra ireny fotoana ny fihibohana ireny. « Nahitana fidinana lehibe asa eny amin’ny indostria : -19,3% izany nandritra ny folo taona lasa » raha ny tatitra nataon’ny BFM. Hoan’ny sehatry ny trano fandraisam-bahiny sy ireo trano fisakafoanana, -78,7% ny fidinana hita tamin’ny asan’izy ireo. Izany indrindra no antony mahatonga ireo mpandraharaha misehatra eo amin’ny fizahan-tany manao antsoantso amin’ny fepetra tokony ho raisina mahakasika azy ireo. Voakasiky ny krizy ara-pahasalamana ity ihany koa ny sehatry ny fanabeazana (-32, 9%) ary ny sehatry ny fitaterana (-4%). Raha to aka nahitana fiakarana ny asa ataon’ireo sehatra hafa toy ny an’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra : +90,6%, ny sehatry ny fahasalamana : +15% ary ny banky sy ny fiantohana : +18%.

Aiza ho aiza araka izany ny drafitra sy ny paikady tokony hapetraka amin’ny fanarenanana ireo sehatra tena voakasika tamin’ity krizy ara-pahasalamana ity ?

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire