SocialTsidika

Mandrosoa Ivato : Miantso ny mpitondra fanjakana ireo fianakavian’ny zazalahy maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana

Mitaky ny fangaraharan’ny fitsarana ireo fianakavian’ilay tovolaly namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana izany niseho teny Mandrosoa Ivato ny 23 septambra lasa teo. Mifamahofaho tanteraka izay antony nahatonga ny loza, koa izany indrindra no anisan’ny antony nanemorana ny fitsarana. Eo ihany koa ny mbola fitohizan’ny fikarohana ilay fiara iray izay voarohirohy tamin’ny loza nahafatesana ilay tovolahy. Nanatanteraka fihetsiketsehana manoloana ny fitsarana teo Anosy ireo fianakaviana, izay sady fangatahana famoahana ny didy amin’ny fahamarinana.

« Mangataka ny hampiharana ny lalàna misy izahay, asehoy aminay fa fanjakana tan-dalàna i Madagasikara, ary tsy misy eto amin’ny firenena intsony izany tsy maty manota izany » hoy i Faniry, fianakavian’ny niaram-boina. « Mila jerena avokoa ny lafiny rehetra mialohan’ny hamoahana didy, izany hoe tsy maintsy atao izay ahazahoana ilay horonan-tsary mirakitra ny loza. Raisina an-tsoratra avokoa izay voalazan’ny vavolombelana nanatri-maso » hoy ny mpitandro ny filaminana manaraka ny fanadihadiana. « Indroa nahemotra ny fotoam-pitsarana ity raharaha ity, ary miverina manao ny fanadihadihana indray ireo zandary. Manahy ny mety hisian’ny fitsarana mitanila izahay koa noho izany antony izany indrindra no hitakianay ny hanfangainana ny raharaha » hoy ny mpisolovavan’ny niharam-boina.

Anisan’ny vina napetraky ny Minisitry ny fitsarana ny hisian’ny fitsarana manakaiky vahoaka, izay nambarany nadritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitry ny fitsarana teo aloha. Mijanona ho vina fotsiny ihany izany hatreto fa toa tsy hita akory izay fampiarana azy. Tsy mahagaga raha miha-maro ireo raharaha mikatso eo amin’ny fitsarana vokatry ny tsy fandraisana andraikitr’ireo mpisehatra mahakasika izany.

Maro ireo olona mitaraina manoloana ny fitarazohan’ny raharaha eo amin’ny fitsarana, eo ihany koa ireo fitarainana mahakasika ny mbola fanjakan’ny kolikoly eo amin’izany sehatra izany. Sehatra iray izay maneho ny maha izy azy ny fanjakana ny fisian’ny fitsarana, izany hoe marika fa manana ny lalàna sy didy mifehy azy ny firenena. Taratry ny rindra napetraka, hisian’ny lamina ka hahafahana mampandroso ny fanjakana ny fisiana sy fijoroan’ny fitsarana. Fampanantenana fotsiny ihany ve ny mahakasika ilay fitsarana manakaiky vahoaka ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire