ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Tontosa ny fanentanana momba ny fijery mihabo amin’ny fitantanana fako tao amin’ny fokontany Iharamy

Notanterahina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fanentanana mahakasika ny fitantanana ny fako sy ny fomba fijery mihabo ny fako, nataon’ny tomponandraikitra misahana ny Raoka fako, tao amin’ny fokontany Iharamy, kaominina Ambohimanambola. Hetsika maro no nentina nanamarihana izany tao an-toerana, araka ny voalaza.

“Maro ireo hetsika sy kilalao nokarakarain’ny ekipa Raoka Fako, nandritra ny fanentanana tety amin’ny fokontany Iharamy, izay toerana mandray ny foto-drafitr’asa fitsinjarana ny fako. Tanjona tamin’ny hetsika moa ny hizarana ireo tsara ho fantatra amin’ny alalan’ny kilalao sy anaty hafaliana” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny service Raoka Fako.

“Nandritra izany moa dia maro ireo loka nozaraina ho an’ireo mpandray anjara rehetra na lehibe na ankizy. Nisy ny lalao baolina kitra, amboaran’ny faritra Atsinanana izay nanoloran’ny ben’ny tanàna ny amboara Ondry ho an’ny sokajy vehivavy” hoy hatrany ny fanazavana.

Tahaka ireo fametrahana ny foto-drafitr’asa fitsinjarana fako tao amin’ny fokontany roa hafa moa dia anisan’ny mahomby sy maharesy lahatra ny mponina izao endrim-panentanana mampandray anjara ny rehetra izao. Omaly alatsinainy moa no nanaovana ny fandraisana vonjimaika izany foto-drafitr’asa izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire