ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitombo ny trangana tsy fandriampahalemana

Mihamitombo ny trangana tsy fahandriam-pahalemana miseho amin’izao fotoana izao ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nisy ny fivoarina fiaraha-midinika notarihin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana sy ireo mpitandro filaminana ary ny filoham-pokontany manoloana izany, ny alatsinainy teo.

« Maro loatra ireo trangana tsy fandriandrampahalemana niseho tato ho ato tato anatin’ny kaominina. Ka nanapa-kevitra ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny fa hametraka fepetra manokana enti-miady amin’izay tsy fandriam-pahalemana izay » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Tsy misy ny famelabelarana manokana natao ao anatin’izay fandraisana fepetra izay, satria ho tanterahina araka ny stratekika izany niarahana tamin’ny mpitandro filaminana no nandraisana azy. Efa nahazo toromarika kosa ireo tomponandraikitra rehetra voakasik’izany hetsika manokana izany » hoy hatrany ny fanazavana.

Ho ampiharina tsy ho ela araka izany ity fepetra manokana ity. Ao anatin’izany kosa anefa dia mandeha hatrany ny fanentanana ny mponina amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo tomponandraikitra, amin’ny fampitam-baovao raha misy ny tranga mampiahiahy eny amin’ny fiaraha-monina eny.

Manitra R.

Laisser un commentaire