ConseilTsidika

Ahoana ny fisehon’ny fandraisan’ny tanora anjara eo amin’ny sehatra politika?

Tokony hiresaka momba ny tsy fandraisan’ny tanora anjara amin’ny politika ve isika? Madagasikara dia firenena tanora manana tanora manodidina ny valo tapitrisa eo anelanelan’ny efatra ambin’ny folo sy telopolo taona, kanefa tsy dia liana loatra amin’ny politika ny mponina raha tsy indraindray. Heverina ho hoavin’ny firenena ny tanora saingy vitsy amin’izy ireo no tena liana amin’ny fiainana politika.

Ny antony lehibe mahatonga izany tsy fahalianana izany indrindra dia noho ny fahatsapan’ny tanora voahilika amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra lehibe. Ao amin’ny kolontsaina malagasy amin’ny ankapobeny dia ny zokiolona no tena heverina fa mahay mandray fanapahan-kevitra tsara. Vokany, mirona ho tsy liana amin’io sehatra io ny tanora satria tsy henoina na mihevitra fa tsy hiova firy ny feony. Fanampin’izay, ny fahavitsian’ny fanabeazana sy ny fidiran’ny tanora ao anatin’ny fiarahamonina ihany koa dia manazava ny tsy fisian’izy ireo amin’ny politika. Ny fanabeazana olom-pirenena anefa dia afaka manampy azy ireo hahatakatra ny rafitra politika sy ny maha-zava-dehibe ny fandraisany anjara. Mikasika ny fidiran’izy ireo ao anatin’ny fiaraha-monina indray dia ny tanora no hamelona indray ny asam-panjakana izay mitobaka amin’ny mpiasam-panjakana efa antitra ho an’ny maro an’isa. 

Matetika dia aleon’ny tanora tsy manao fifidianana, na noho ny tsy fahafantarany ny fomba fiasan’ny rafi-pifidianana, na satria toa tsy misy kandidà maharesy lahatra azy. Ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana amin’izao fotoana izao dia mampiseho ny tenany ho fanehoana hery mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, tsy misy ady hevitra manorina eo amin’ny samy kandidà. Noho izany ny tanora dia mitodika any amin’ny olana hafa momba ny fiainana (fianarana, fianakaviana, asa, fialam-boly) ary mamela ny politika ho an’ny « olon-dehibe ».

Mba hiadiana amin’io tsy fahampian’ny fandraisana anjara io, etsy ankilany, ilaina ny mampianatra ny tanora ny maha zava-dehibe ny feony, ny fanentanana ny tanora, indrindra ny zatovovavy, handray anjara mavitrika amin’ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-pirenena. Etsy andaniny, tpkony avela hanome ny heviny ny tanora, fa ambonin’ny zava-drehetra mihaino azy, heverina ho zava-dehibe ny hevitra tsirairay mba hahatsapany ho sarobidy kokoa sy tafiditra amin’ny politika. Manana ny toerany eo amin’ny sehatra politika ny tanora satria izy ireo no taranaka hahomby.

Laisser un commentaire