SocialTatitra

Indonésie : Fipoahana volkano iray nitarika fikatonan’ny seranam-piaramanidina sy fifindra-monina

Nampiahiahy ny fiverimberenan’ny fipoahana volkano iray tao Manado, Indonésie. Ny talata teo, fotoana nifohazan’ity volkano iray ity,dia namoaka rahona aman-davenona amin’ny aavo ambony, manakaiky ny lanitra ity volkano ity. Vokatr’izany, voatery nakatona ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao an-toerana, nandritra ny 24ora. Tany amin’ny 100km miala ny toerana misy ny fipoahana no nisy ity seranam-piaramanidina ity. Ankoatra izay, nohamafisina ihany koa ny antso fanairana sy fampitandremana amin’ireo pitika lavenona niparitaka ka mety hitera-doza ho an’ny mponina manodidina, ity farany izay nahiana hiteraka tondra-drano noho ny fipitahan’ireo tany amin’ny ranomasina. Olona maherin’ny 800 isa no voatery nafindra monina tao anatin’izany.

Laisser un commentaire