Fiarahamonina: Raharaha fanolanana
Miisa 302 ny trangana fanolanana teto Madagasikara nanomboka tamin’ny volana Janoary ka hatramin’ny 22 Martsa 2024 izay noraisin’ny Ministeran’ny Fitsarana an-tanana.
Ny 133 tamin’ireo dia niseho ny volana Janoary, ny 101 dia tamin’ny volana Febroary ary ny 68 dia tamin’ny volana Martsa. Miisa 87 kosa ny trangana fanolanana niseho nanomboka ny ampitson’ny 26 Febroary, izay daty namoahana, hampanan-kery ilay lalàna vaovao( famosirana).
