France : Olona 13 nahiditra hopitaly vonjimaika noho ny firehetana tao akaikin’ny hopitaly iray tao Marseille
Nisehoana hain-trano goavana, omaly maraina tao amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara iray, ambanin’ny tany, tao amin’ny faritry hopitaly Timone, tao Marseille. Fiara maromaro niantsona tao an-toerana no levon’ny afo nandritra izany. Nandray fepetra malaky ireo mpamonjy voina tany an-toerana ho fifehezana ny afo. Olona am-polony maro, izay monina teo amin’ny manodidina no nafindra toerana, ho fiarovana azy ireo amin’ny mety ho fahasemporana noho ny setroka mahafaty tao anatin’ity loza ity. Olona hafa 13 kosa no nahiditra hopitaly tao amin’ny sampana vonjy taitra. Mpitandro filaminana 86 no nahetsika nitandro ny fihitaran’ny loza nandritra ity ary fiara 30 no nahetsika tamin’izany hamonoana ny afo. Tao anatin’ny roa ora no nifehezana ny afo ka fiara efatra no lavon’ny afo tanteraka tao anatin’izany. tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga izany loza izany.
