Fénérive-Est : Oniversite vaovao
Mpampianatra miisa telo ary manana ny traikefany manokana momba ny « Sciences Marines” sy “biodiversité marine” avy any amin’ny oniversiten’ny” Mans” any Frantsa no ho tonga hanatevin-daharana ireo mpampianatra ao amin’ny oniveriste vaovao ao Fénerive est.
Mahazaka mpianatra 700 hatramin’ny 1500 ity oniversite vavao ity ary ahitana sampam-pianarana Agro management, Agro production animale, Agro production végétale, Droit public et privé, Gestion, Finances ary ny Commerce.
