ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Tratra ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana, 11 volana aty aoriana

Tratra ireo jiolahy tomponan’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana niseho tao Soanierana, kaominina Ambohimalaza, 11 volana lasa izay. Misy telo izy ireo no niray tsikombakomba nanao izany fanafihana izany, ka vehivavy ny iray tamin’izy ireo.

« Raha tsiahivina dia ny 03 desambra 2022 no nisy tokantrano iray tao Soanierana, Fokontany sy Kaominina AMBOHIMALAZA MIRAY voatafiky ny andian-jiolahy misaron-tava mpanao fanafihana mitam-piadiana tamin’ny andro atoandro. Nambanan’izy ireo antsy tamin’izany fotoana izany ireo zaza amam-behivavy izay tratrany tao ary noteren’izy ireo hanome ny vola rehetra raha tsy izay dia haolan’izy ireo ilay tovovavy kely » hoy ny avy amin’ny brigadin’ny zandary ao Ambohimalaza.

« Noho ny tahotra sy ny fandrahonana dia voatery ny tompon-trano nanome ny vola rehetra niaraka tamin’ireo entana lafo vidy toy ny solosaina sy ny sisa. Ny faha 31 oktobra 2023 teo no voasambotra tsirairay ireto olona ireto rehefa nahazo angom-baovao ny zandary. Voasambotra hatramin’ny olona niray tsikombakomba tamin’izy ireo, izay tsy iza fa ny mpanampy tao an-trano ihany » hoy hatrany ny fanazavana.

Mbola nisy tamin’ireo entana norobain’ireo jiolahy moa no mbola tratra tao amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Mbola hita tao ihany koa ny fitaovana nampiasaina, nentina nandrahonana sy ny nambanana ireo tompon-trano, ny antsy nampiasaina tamin’izany. Efa eny am-pona ary miandry ny fotoam-pitsarana azy moa ireo olon-dratsy, raha ny voalaza hatrany.

Laisser un commentaire