ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Tsara ny toeran’i Madagasikara amin’ny fanentanana ho amin’ny fiarovana izany

Tafiditra ao anatin’ny 5 voalohany amin’ny fanentanana ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana i Madagasikara hoy ny nambaran’ny WWF. Nahomby ny hetsika izay notanterahin’ny Namako ny Tany ny 18 ka hatramin’ny 25 martsa teo tao anatin’ny fanakalazana ny « ora ho an’ny tany » na ny « l heure pour la Terre ». Tsy tambo isaina ireo izay nandray anjara tamin’izany tamin’ny fomba maro samihafa ka nahazoan’ny Madagasikara io toerana tsara io.

« Maherin’ny 12 000 ireo olona izay nandray anjara mivantana tamin’ny hetsika izay natao raha aman’aliny ireo nanohana tamin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera isan-karazany. Maro ireo hetsika notanterahina niaraka tamin’ny tanjona iray manokana di any hanentanana ny olona amin’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fomba tsotra. Anisan’izany ny fandehanana an-tongotra arahina fanentanana ho an’ny tany, ny fifanakalozan-kevitra, ny radio-crochet, ny atrik’asa fanodinana ireo fako ary ny fambolen-kazo », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Namako ny Tany.

Saika nanerana ny faritra rehetra eto Madagasikara dia nahitana izany hetsika izany avokoa. Niara-niasa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny Namako ny tany nandritra ny hetsika nahafahana manatratra ny tanjona amin’izany. « Anisan’ny mahatsapa ny tena fa manana adidy sy andraikitrta amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ka izany indrindra no nahasarika ahy hanatanteraka ity hetsika ity. Ny fandraisana anjaranay tamin’ity di any fambolen-kazo izay tokony hatohizana hatrany amin’ny taona maro », hoy ny avy ao amin’ny Koaminina Ambohimahavelona ao amin’ny Distrikan’ny Toliara II.

Am-polony ireo faritra niara-nankalaza izany hetsika izany tamin’ny fihetsika isan-karazany. Samy nitondra ny anjara birikiny avokoa nandritra ny fanakalazana. Hirariana ny hitohizan’ny hetsika ho tombon-tsoan’ny rehetra satria ilaina izany ho amin’ny fampivoarana ny tsirairay. Samy manana adidy amin’izany fiarovana ny tontolo iainana izany ihany koa ny rehetra fa tsy mijanona ho isany ny « heure pour la terre » irery ihany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire