Mexique : « Montgolfière » iray no nirehitra tao Teotihuacan
Olona roa no maty vokatry ny firehetana « montgolfière » tao Teotihuacan, Mexique ny sabotsy teo. Mpivady antsoina hoe Jose, 39 taona sy ny vadiny Viridiana 50 taona ary ny zanak’izy ireo Régina, 13 taona no tao anatin’io « montgolfière » io. Rehefa tafiakatra teny amin’ny habakabaka nefa ilay fitaovam-pitanterana dia nipoaka ary nirehitra.
Nahavita namikotra ny tady namatotra ilay « montgolfière » kosa ilay tovovavy 13 taona ary nitsambikina nanaraka izany. Tapaka sy may izy saingy tsy ahatahorana ny ainy ary efa nisitraka fitsaboana sahaza azy. May tao anatin’ilay fitaovam-pitanterana kosa nefa ireo ray aman-dreniny.
Marihana fa toeram-pizahantany i Teotihuacan, fankalazana ny faha-50 taonan’ilay renim-pianakaviana no anton’io sidina tamin’ny « montgolfière » nataon’izy telo mianaka io.
