Ukraine : Olona am-polony no maty noho ny fanafihan’i Russie
Nidaroka baomba an’i Ukraine i Russie ny alakamisy teo. Nanazava ny mpanao gazety teny an-toerana Stéphane Siohan fa indroa io fipoahana io. Tao Kramatorsk, foibem-pitantanana ny miaramila tao amin’ny faritr’i Donbass izany. Niparitaka tao an-toerana nanerana ny faritra atsinanana sy afovoan’i Ukraine kosa izany hoy izy, tao Kharkiv, Kiev, Kramatorsk, Odessa sy ny maro hafa.Toerana ho an’ny daholo be maro no nodarohan’i Russie ny baomba. Raha ny antontan’isa vonjy maika dia miaramila 40 no maty ary sivily am-polony. Nilaza nefa ny jeneraly Igor Konachenkov, mpitondra tenin’ny ministeran’ny fiarovan’i Russie fa tsy manjera baomba amin’ny tanàna izy ireo. Fotodrafitrasa miaramila, fametrahana fiarovana an’habakabaka, tobim-piaramanidina miaramila ary fiaramanidina sy miaraka amin’ny fitaovam-piadiana avo lenta ihany no kendren’izy ireo hoy izy. Nanamafy izy fa tsy tokony hanahy ny sivily. Tsy arak’izany nefa ny zavatra miseho.
