Israël : Mahomby 94% ny vaksiny Pfizer miady amin’ny coronavirus.
Manamafy ny fahombiazan’ny vaksiny vokarin’ny orinasa Pfizer amin’ny salan’isa 94% ny fanadihadiana israeliana iray, navoaka ny alarobia 24 febroary. Raha araka ny voalaza, amin’ny soritr’aretina vao miatomboka ihany no mitombina io salan’isa io. Tao aorian’ny andrana tanaty laboratoara izay natao, nisy tamin’ireo marary no efa nisitraka azy io talohan’ny niatombohan’ny fanadihadiana, hoy i Ben Reis, anisan’ireo manam-pahaizana nandray anjara tamin’ny fanandramana. Na izany aza anefa, tena azo antoka io salan’isa io hoy izy ireo. Voalazan’izy ireo nandritra ny fampahalalana ny alarobia lasa teo fa nampihena ny tahan’ny olona nitondra ny tsimon-karetina ho 94% ny vaksiny Pfizer. Nahidiny ho 92% kosa ireo trangam-paharariana goavana, ary 87% ho an’ireo tsy maintsy mila fanaraha-maso any amin’ny toeram-pitsaboana. Efa hita avokoa ireo fivoharana ireo, 7 andro aorian’ny ahazoan’ny marary io vaksiny io. Antontan-taratasin’ireo sitran’ny covid-19 manodidina ny 1,2 tapitrisa, tao Israël (Clalt Health Services) no nentin’ireo manam-pahaizana nanaovana fanadihadiana. Voamarina ary fa tena manasitrana tokoa ny vaksiny Pfizer ary afaka omena ireo marary.
