Fandriam-pahalemana : Nahitana tovovavy roa notapahin-doha tao Ihosy
Dépêche 27 octobre, 13h, Tovovavy roa 15 sy 18 taona andeha hanatitra sakafo ho an’ireo Ray aman-dReniny manao saribao no hita faty tao amin’ny fokontany Bevilany, distrikan’Ihosy. Iray andro taorian’izany anefa vao hita ny fatin’izy ireo ary efa tsy misy loha intsony. Feno habibiana tokoa izany asa ratsy izany kanefa ny antony dia tsy fantatra, tsy manana olana teo amin’ny tanàna izy ireo raha ny fanzavana ary tsy nahitana tranga na fanolanana ny vatan’izy ireo. Efa eo ampelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.
