Torohevitra: Fanadiovana ny orona, manala sy sery sy mampihena ny fhasemporana
Rehefa amin’ny fotoana main-tany tahaka izao, mamely avokoa ny sery sy ny gripa. Anisan’ny ny antony mahatonga izany ny fahamainan’ny tany, ny kalitaon’ny rivotra izay hiainana amin’ny andavan’andro ary ny hafanana be loatra. Anisan’ny miantraika avy hatrany amin’ny fahasalamana izany. Mety maro ny tsy mahatsikaritra, ny orona dia anisan’ny manangona ny loto izay amin’ny rivotra fohatsika isanandro, indrindra amin’izao fotoana izao, izay manempotra tokoa ny rivotry ny setroka avy amin’ny doro-tanety sy ny fiara mivezivezy eto an-drenivohitra.
Anisan’ny toro-hevitra tokony hampiharina, ary mety hahasoa ny fanadiovana ny orona. Mila diovina tokoa ny orona satria, araka ny voalaza etsy ambony, anisan’ny taova mitarihiry loto izy io, indrindra fa ireo volon-korina. Tsara araka izany ny manasa orona matetika mba hanalana ireo loto miangona any anatiny any.
Manaraka izany, azo atao ihany koa ny manadio ny orona amin’ny alalan’ny “sérum” izay vidiana eny amin’ny toeram-pivarotam-panafody. Atsififitra any anaty orona ny fampiasana azy. Aorian’izay, hisava avy hatrany ny sery ary hiena ny fahasemporana. Raha toa anefa tsy mahatakatra ny fampiasana ny “sérum” dia azo atao ny mampiasa ny ranon-tsira ho solon’izany.
Manitra Ramanantsoa
