Fahamaizana : Nisy ampahany may ny tsena tao amin’ny tsenan’Anosibe
Dépêche 27 octobre, 12h, Nisehoana fahamaizana ny tsenan’Anosibe ny alina teo tokony ho tamin’ny 1 ora tany ho any. Rava tanteraka ireo tsena F sy G noho izany na dia tonga ara-potoana aza ny mpamonjy voina. Raha tombanana dia lasa lavenona avokoa ireo entana tavela tao, tao ireo enta-madinika, tao ireo legioma. Hatramin’ny vola sasany aza dia lasa lavenona avokoa vokatry ny afo. Tonga ihany moa ireo mpamonjy voina ka tsy nhitatra tamin’ny tsena hafa ny firehetana. Ny antony kosa dia mbola tsy fantatra mazava ary efa eo andalam-pikarohana izany ny tompon’andraikitra.
