Fandriam-pahalemana: Olona miisa 32 no voarohirohy tamin’ny trangana fakana ankeriny Anjozorobe.
Nisehoana tranga na fakana ankeriny indroa mihantaona tao amin’ny Kaominina Vohilena sy tao amin’ny Kaominina Amboasary Avaratra, Distrikan’Anjozorobe ny faran’ny volana septambra teo. Rehefa nanao ny asany ireo mpitandro filaminana dia votsotra tamin’izany ireo takalon’aina miisa 4 ary maro ireo olona voarohirohy tamin’ity raharaha ity rehefa natao ihany koa ny fanadihadiana.
“Nahagaga ny maro iny tranga na fakana ankeriny tany Anjozorobe iny, ireo valin’ny fanadihadiana ihany koa dia nahavalalanina satria dia toa tambazotra mihitsy izy ity ka miandahy miambavy no manao ilay asa ratsy. Olona miisa 32 no ahiahiana amin’izao ary mifangaro ao ny lehilahy sy ny vehivavy maro. Misy amin’ireo no tena nandray anjara mivantana tamin’ny asa ratsy ary misy ihany koa anefa ireo niray tsikombakomba sy mpanome vaovao ireo olon-dratsy ireo”, hoy ny avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina central.
“Raha ny hevitro aloha dia ny fahantrana no mahatonga izao, mila mihinana ny olona ary mila mitady izay hohaniny ny dikany. Ny asa anefa sarotra, ry zareo any ambanivohitra. Izany anefa tsy midika fa tokony hamono olona. Ny fananana saina mikarokaroka no tokony volavolaina fa tsy ny fandehanana amin’ny ratsy. Hampandrosoana araka izany ihany koa ny lafiny fiompiana sy fambolena”, hoy i Lalaina, mpandinika fiaraha-monina.
Ny resaka fakana ankeriny izay efa nisy tao anatin’ny fotoana efa ela, mbola tsy fantatra foana hatreto ny tena antony ka tsy hahafahana manala azy hatramin’ny fotony. Ilay tena antony sy ny mpandraharaha mila izany no tena tokony tedavina aloha hahafahana manafoana azy.
Miora Raharisolo
