ActualitésTsidika

??????? ??? ???? –Natao veloma farany omaly 29 Jona tao  Antsohihy

Taorian’ny fanaovam-beloma an’ity  depiote ity teto Antananarivo dia efa nafindra tao amin’ny Maison des élus  izay lapan’ny Faritra Sofia ny nofo mangatsiakany ny 28 Jona lasa teo. Taorian’izay kosa dia omaly 29 Jona izy no natao veloma farany  tany an-toerana mialoha ny fandevenana azy.

Tonga maro hatrany ireo vahoakan’Antsohihy nanotrona ity fanaovana veloma farany ny depiote ity. “Maty namela mamy ary namela fitiavan-tanindrazana ity ray mpiahy antsika eto amin’ny Faritry Sofia ity. Ny tenany no nandao fa inoana sy antenaina fa ,ny asa fanasoavana ny Tanindrazana  izay nationy dia hotoizan’izay olona hisolo azy eo.” Hoy ny fanambaran’ny solontenan’ny manam-pahefana any an-toerana.

“Tsy handalo fotsiny izao fahalasan’ i depiote Djao izao fa hanamarika anay eto Antsohihy satria  dia tena nahavita ny adidy sy andraikitra izay nametrahana azy izy io. An-taonany maro ihany koa no efa naha solombavambahoaka azy teto ka efa latsaka am-ponay vahoaka” hoy kosa  i Florin mpanaraka pôlitika.

Mametra-panontaniana ny mety ho tohin’ny asan’ity depiote ity kosa ,ny akabeazan’ny mponina ao amin’ity Faritra ity ankehittriny manolaoana izao fahalasany izao.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire