Fizarana karam-panondro sy kopia : Hampiana tosika ny ao amin’ny « imprimerie national »
Dépêche 28 octobre, 12h, Tsy maharaka ny asa ho atao ao anatin’ny fotoam-panisana ireo mpifidy ny avy ao amin’ny « imprimerie nationale » ka ho ampiana tosika. Hita taratra fa mazoto ireo tanora vao mahazo ny 18 taona sy ireo mbola tsy manana kopia amin’ny fisoratana anarana eny amin’ny fokontany na kaominina na ditrika mba hisitraka izany kopia sy karam-panondro izany. Tsy maharaka ny filàn’ny vahoaka ny fanontana ataon’ny « imprimerie national » ka mila fanampiana izy ireo noho izany ka ireo « imprimerie » tsy miankina no nantsoin’ny fanjakana hiara-maisa amin’izany.
