Ankadikely Ilafy : Mbola maro ireo te hisitraka ny jiro mora
Tonga tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, tamin’ny faran’ny herinandro teo ireo tomponandraikitra avy amin’ny JIRAMA, miandraikitra ny jiro mora (branchement mora) nandray sy nitondra fanazavana ho an’ny mponina momba izany. Mbola maro tamin’ny mponina tao an-toerana anefa no te hisitraka izany, araka ny voalaza.
“Nandritra ny hateloana no tonga tety anivon’ny kaominina ireo tomponandraikitra avy amin’ny Jirama nandray ireo mpisitraka ny jiro mora tety an-toerana. Mpisitraka miisa 122 no tonga nandoa ny teti-bidy amin’ny fahazoana misitraka izany ary miisa 142 kosa ireo tonga nanao fangatahana” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Hisoarana ny tomponandraikitra amin’ny fanomezan-danja ny tetikasa tahaka izano satria tena ilain’ny mponina ety ifotony izany. Ny olona rehetra dia manan-jo hisitraka hazavana ka tsara tokoa ny hanaovana laharam-pahalemana izany” hoy i Solo, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Maro moa ireo toka-trano te hisitraka ity branchement mora ity tao amin’ny kaominina. Ireo rehetra izay tsy voaray tamin’izany fotoana izany moa dia afaka manantona eny amin’ny masoivoho Jirama eny Sabotsy Namehana.
Manitra R.
