Fifanitsanana CHAN 2023 : Mitohy ny fifaninana ho an’i Madagasikara
25 Jolay, 16h 25 Nibata fandresena tamin’ny isa 1 noho 0 ny ekipam-pirenena Barea Madagasikara raha nifanandrina tamin’ny ekipan’i Seychelles nandritra ny lalao voalohany tamin’ny fifanitsanana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrique CHAN 2023. Mbola mitohy ny lalao ho azy ireo, ho atao ny 31 jolay 2022 izao ao amin’ny kianja Barea Mahamasina manomboka amin’ny 04 ora hariva ny lalao miverina amin’ny fifa ninanana.
Ho tontosaina ao Mahajanga kosa ny fifanitsanana CAN Beach Soccer eo amin’i Madagasikara sy Seychelles ny 7 aogositra 2022 izao manomboka amin’ny 03 ora hariva.
