SocialTatitra

Mali : Seranan-tsambo vaovaon’i Konna, fihetsika manohitra ireo “djihadiste”

Nitsidika ny tananan’i Konna ny praiministra Moctar Ouane ny alatsinainy 22 martsa. Antondiany manokana ny fitokanana ny seran-tsambo vaovao sy ny toby miaramila vaovao ao an-toerana. Toerana iharan’ny fanafihana djihadiste matetika i Konna. Isan’ny nahatonga ny fananganana ny fotodrafitr’asa tao ann-toerana hanoherana ny fanafihan’ireo vndrona mpampihorohoro ireo. Niparitaka hatrany afovoan’i Mali ny fanafihan’ny djihadiste hatramin’ny taona 2015. Mitombo hatrany ny faritra lasibatry ny asa fampihorohoroana ataon’ireo vondrona ireo. Manantena ny praiministra fa afaka miaro tsara ny tanàna ireo miaramila hitoetra ao amin’io toby vaovao vao notkonana io. Ezahana ho maro an’isa izy ireo hoy izy mba hampilamina ny sain’ireo mponina rehetra manodidina an’i Konna na ny ao Mali mihitsy aza.

Laisser un commentaire