Ambohimalaza : Manomboka miparitaka manerana ny tanàna ny fako
Manomboka miparitaka manerana ny tanàna ao Ambohimalaza amin’izao fotoana izao ny fako. Efa tsy misy intsony ny fandraisana andraikitra manoloana ny fiparitahan’ny fako ao an-toerana ka miangona sy miparitaka manerana ny tanàna ny loto izay anisan’ny mampimenomenona ireo mponina manodidina.
« Tsy tokony hiandry an’iza na iza kosa manoloana ny fiparitahan’ny loto na ny fanajana ny fahadovana. Andraikitry ny isam-batan’olona no tokony hahatsapa tena manala ny loto sy ny fako manoloana azy » hoy i Faly, mponina ao Ambohimalaza.
« Ny fametrahana daba-pako isaky ny kihon-dalana aloha ny voalohany indrindra tokony apetraky ny kaominina entina miady amin’ny fako. Faharoa dia ny fampianarana ny olona hanary fako na hanodina ny fako ho lasa vokatra azo ampiasaina indray. Tsy ampy mihitsy ny fanabeazana eny ifotony mahakasika ny fako kanefa isika efa anisan’ny firenena misedra olana indrindra amin’ny resaka fako io » hoy i fetra mpilatsaka an-tsitra-po amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, mpianatra momba ny taranja Jeografia.
Manoloana izany, any amin’ny lafin’ny fanentanana amin’ny fampandraisana andraikitra no tokony entin’ny fokontany na ny kaominina entina hiadivana amin’ny fiparitahan’ny fako manerana ny tanàna. Ny fako dia anisan’ny manome endrika ratsy ny tanàna, ary tsy mahate honina ny toerana be fako. Azo atao tsara anefa ny manome fiofanana mba hampiodonana sy hanenana azy ireny.
Manitra Ramanantsoa
