Lavanila: Mitotongana sy miharatsy ny fandraharana azy eto Madagasikara
Velon-taraina ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny lavanila amin’ny Faritra maro eto Madagasikara toy ny Faritry SAVA, Analanjirofo, Diana. Nohon’ ny antony tsy avy amin’ireo mpamokatra dia tafiakatra hatramin’ny 4000 Tonne ny lavanila tsy lafo ny taona 2022.
Ankehitriny anefa dia efa hisokatra indray ny tsena 2023 amin’ity sehatra ity kanefa ny vokatra tamin’ny tsena teo aloha aza mbola mivangongo tsy misy mpividy.
Nanambara hatrany ireo mpandraharaha fa nohon’ny “Monopolisation” nataon’ny fanjkana dia tsy makaty Madagasikara hanjifa intsony ireo mpandraharaha vahiny toy ireo avy any France, Suisse, Amérique, Allemagne,Chine, Maroc. “Tsara kalitao ny vanille vokarina eto Madagasikara saingy tsy malalaka ny fandraharana azy eto ka tsy tonga mividy azy aty intsony ireo vahiny mpanjifa hatrizay” hoy ny mpandraharaha iray avy ao Analanjirofo.
“Mampalahelo ny mahazo ny mpandraharaha maty vola en million sy milliards ny mpamboly matin’ny jaly mikarakara voly, manomboka mamaky fleurs. Tsy mbola nisy crise la vanille otran’ity teto” hoy i Armandine renim-pianakaviana.
Ny lavanila dia sehatra iray anisany mampalaza an’i Madagasikara eo amùin’ny sehtra iraisam-pirenena. Iaraha-malala ihany koa ny lazan’izany “Vanille de Madagascar” izany erak’izao tontolo izao kanefa dia miha simba ny tsena ankehitriny.
Miranto Andrih
