Social

Ny asa fivarotana « boots ».

Tsy mifidy vanim-potoana fa azo anaovana tsara na amin’ny andro mangatsika na andro mafana tahak’izao ny boots. Eo ambodifilao eo no maro mpivarotra azy io ka isan’izany i Ravonoharisoa Louisette. Mpivarotra kiraro no asany fony fahatanorany ary vao 5 taona lasa izay izy no nivarotra irony boots irony. Raha ny filazany dia alaina tsirairay amin’ny alalan’ny fitetezana tsena eny mahamasina, alarobia na andravoahangy izy ireny ka izao amidy eo ambodifilao izao.

Alohany ampivoaka azy ho lasa kiraro manintona sy maha te hividy anefa dia mbola mila fikarakarana maro ny boots iray toy ny fanasàna azy, fanoloana ny tadiny raha ilaina izany ary ny fanosorana crème no mamarana azy.

Ny vidiny kosa hoy i bebe Louisette dia miankina amin’ny endriny sy ny hatsarany saingy azo hiadina-varotra tsara kosa anefa izany. Ny ririnina no tena mandeha ny tsena araka ny filazany fa ny amdavanandro no somary latsaka kely, indraindray aza hoy izy iray mila ho tsy lafo. Saingy mikiry hatrany izy noho izy mbola mamelona ireo zafikeliny, na izany na tsy izany aza mahavelona ity asa ity araka ny nambarany hatrany noho izy mbola afaka hividianana sakafo hivelomana.

Ny hafatra avy amin’i bebe Louisette dia ny hoe : « Rehefa hiasa ny tanora dia mila mazoto sy manaja raha te ho velona ».

Narcia Hantanirina

Laisser un commentaire