Politique

CUA : Nametraka fitoriana i Clémence Raharinirina.

Mitohy ny tsy fifankazahoana eo amin’ny ben’ny tanan’Antananarivo sy ny mpanolotsaina monisipaly ramatoa Clémence Rahariniriana. Raha tsiahivina, niakatra fitsarana ity mpanolotsaina ity ny volana desembra 2020 lasa teo, voapanga ho nanala baraka ny ben’ny tanana moa izy tamin’izany. Ankehitriny, nametraka fitarainana eo anivon’ny “tribunal administratif” ihany koa ity mpanolo-tsaina monisipaly ity. Ny tsy fanatanterahana ireo hevitra tapaka nandritra ny fivorian’ny filan-kevipitantanana sy ny tsy fanajana ireo daty napetraka handravana trano no voalazany fa antony hitoriany ny benin’tanaana . Voalazany tamin’izany fa mañana porofo amin’ny fitoriany izy.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire