SECES : Mbola tsy afaka miditra amin’ny taom-pianarana 2022-2023 raha tsy mivaly ny fangatahana
Mihemotra hatrany ny fidirana amin’ny taomù-pianarana manaraka noho ny fangatahana ataon’ireto mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ireto. Nisy fivoriana izay natao ka tsy afaka ny haroso ny fidirana raha tsy mivaly ireo fangatahana izay napetraky ireto mpampianatra ireto.
« Fandoavana ny karaman’ireo vacataires sy ny ora fanampiny ary ny tambin-karama momba ny fikarohana sy famotopotorana ho an’ny taona 2018-2019. Izany no angatahanay amin’ny fanjakana mba hahafahana miroso amin’ny asa manaraka », hoy ny tompon’andraikitry ny SECES Antananarivo.
« Mananatena ihany koa izahay fa handoa tsikelikely ny vary mangatsiakany ny fitondram-panjakana. Mba handeha araka ny tokony ho izy ny fisitrahana ny « maintien en activités » sy ny « reclassement » ary ny « allocation de recherche et d’investigation », hoy hatrany ny fanazavana.
Nanambara kosa i Elianna, mpianatra ao amin’ny sampana Sociologie fa « tokony haroso ihany ny fianarana fa sao tratran’ny taona fotsy. Mila mitady vahaolana ihany koa ny fanjakana hamahana izany olana be izany fa miojaly ny mpianatra ».
Mbola tsy fantatra noho izany ny hitombohan’ny taom-pianarana vaovao 2022-2023 izay tokony efa hanomboka. Azo antoka kosa fa hitohy ny fianarana vantany vao maahzo valiteny mahafapo avy amin’ny fanjakana ny SECES.
Miora Raharisolo
