France : Misokatra ny fanadihadihana noho ny herisetra natao tamin’ilay « livreur »
Nasokatra nanomboka omaly ny fanadihadihana tao amin’ny Val-d’Oise mikasika ny fanaovana tsinotsinona livreur iray tamin’ny ny toeram-pisakafoana tany Cergy-Pontoise, sy mikasika ny fandrahonana natao sy ny fanavakavaham-bolon-koditra nisy. Raha tsiahivina ny zava-nisy, « livreur » iray mainty hoditra no niharan’ny herisetra ny alahady 30 may alina lasa teo, raha nanatitra ny kaomandin’ny mpanjifa iny. Mpamono afo no nanao izany ka nitondra ratra maro ho azy avy eo nametraka fitoriana ity farany hoy ny polisy. Nisy ramatoa iray nandrakitra an-tsary ny zava-niseho ka nametraka fitarainana tany amin’ny polisy ao Cergy-Pontoise. Ny alatsinainy atoandro aza, olona miisa 150 no nitokona nanoloana ilay toeram-pisakafoana nisehoan’ny tantara, nanohitra izao zava-nisy izao. Napetraka feno teo am-pelatanan’ny polisy ny fanadihadihana mikasika izao tranga izao.
