Torohevitra : Ny atao entina miady amin’ny gripa
Mamely tokoa ny sery sy ny gripa amin’izao vanim-potoana fiovaovan’ny toetr’andro izao. Mety ho voan’ny gripa avokoa ny salan-taona rehetra ary tsy mifidy izy io. Tsara ny manamafy ny hery fiarovana araka izany. Raha sendran’ny gripa kosa dia misy ireo fikarakarana tsotra amin’ny fomba natoraly afaka entina miady amin’izany.
Mila tongolo gasy voatetika madinika, tongolo be vaotetika madinika, sakamalaho voakiky, sakay vovony ary vinaigitra paoma raha hikarakara ity ody gripa ity. Arotsaka ao anaty tavoangy misarona (bocal) iray avokoa ireo fangaro ireo; hidiana tsara ny bocal ka apetraka amin’ny toerana tsy azon’ny andro sy hamandoana. Ahontsana isan’andro io fangaro io mandritra ny roa herinandro izay vao ampiasaina. Iray sotro fihinana isa-maraina kosa ny fihinana azy, mialohan’ny sakafo maraina. Aorian’ny 7 andro hihinana azy dia tokony hahita fahasitranana ny olona voan’ny sery na gripa mihinana azy.
Afaka afangaro amin’ny tantely iray sotro fihinana ihany koa ny tongolo gasy hasiny telo vaventy efa voatetika madinika, alona andro vitsivitsy ary azo tahirizina anaty vata fampangatsiahana. Samy entina miady amin’ny sery sy gripa avokoa ireo.
Manitra Ramanantsoa
